Hankany amin'ny vontoatiny

Ajuga robusta

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ajuga robusta dia karazana-javamaniry ahitra ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae, fantatra amin' ny fitsanganany matanjaka sy amin' ny vondromboniny manga-volomparasy, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, any amn' ny faritra afovoan-tany. Zavamaniry kely manana haavo tsy mihoatra ny 50 sm izy. I John Gilbert Baker no nanao ny famariparitaa azy io voalohany (Ajuga robusta Baker). Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe anantsingilo, anatsora, kalavolo, mamy, solila ary voanjomanga.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Eto Madagasikara dia ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana izy io noho ny toetrany mampihena ny tazo ny fahasahiranana amin' ny fandevonan-kanina. Amin' ny lafiny fitsaboana dia ampiasaina fantatra hitsaboana ratra sy fery lalina ity zavamaniry ity. Alona amin' ny menaka izy ampiasaina hampilamina sy hanatsara ny volo noho izy io manitra. Manana tsiro somary mamy ny tahony ka nampiasaina tamin' ny sakafo taloha.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]