Ensete

Ny Ensete dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Musaceae, ao amin' ny filaharana Zingiberales ankoatra ny Musa (vondrona misy ny akondro) sy ny Musella, izay mamokatra voan' akondro madinika. Ahitana karazana fito ity vondrona ity, ary samy avy amin' ny faritra mafana avokoa izy ireo. Ny Ensete ventricosum dia volena mba hahazoana ny fakany izay azo hanina, indrindra fa any Etiôpia, raha toa kosa ka natao haingon-tokontany na haingon-jaridaina no tena antony ambolena ny karazana hafa. Misy amin' ireo karazana ireo no volena anaty trano fitaratra any amin' ny firenena manana toetany antonony, na any ivelany mihitsy any amin' ny faritra tsy dia mangatsiaka loatra. Avy atỳ Afrika sy any Azia ny karazana ao anatin' ity vondrona ity.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny Ensete:
- Ensete gilletii (De Wild.) Cheesman (← Ensete livingstonianum (J.Kirk) Cheesman., Musa gilletii De Wild) – teratany ao Afrika Andrefana trôpikaly hatrany Malaoy
- Ensete glaucum (Roxb.) Cheesman – miely any Azia: hatrany India ka hatrany Papoazia Ginea Vaovao
- Ensete homblei (Bequaert ex De Wild.) Cheesman – teratany ao amin' ny faritra atsimo-atsinanana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ka hatrany avaratra amin' i Zambia
- Ensete lecongkietii Luu, N.L.Vu & Q.D.Nguyen – tsy fahita afa-tsy any Vietinamy (Azia Atsimo-Atsinanana)
- Ensete perrieri (Claverie) Cheesman (← Musa perrieri) – tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara nefa mitovitovy amin' ny Ensete glaucum any Azia (amin' ny teny malagasy ny anarany dia antsirohoroka, ontsy, tsirohoroka ary voantsirohoroka)
- Ensete superbum (Roxb.) Cheesman – hita any Ghats Andrefana any India
- Ensete ventricosum (Welw.) Cheesman – ambolena hatao sakafo ao Etiôpia
- Ensete wilsonii (Tutcher) Cheesman (← Musa wilsonii Tutcher) – hita any Yunnan (Sina), nefa mitovitovy amin' ny Ensete glaucum