Ibadisma

Ny ibadisma dia fironana ao amin' ny finoana silamo izay niorina latsaky ny dimampolo taona taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady. Amin' ny teny arabo izy io dia atao hoe الاباضية / al-ibāḍiyya.
Noroahin' ny Mozilmana hafa ny Ibadita noho ny fiheverany ara-pôlitika: araka ny voalazan' ireo Ibadita ireo dia tsy voatery ho avy amin' ny taranak' i Mohamady, na avy amin' ny foko iray ny Amīr al-Mu‘minīn (lehiben' ny mpino).
Ny ibadisma no firehana lehibe indrindra any Ômàna. Misy ihany koa izy io any amin' ny faritra sasany ao any Maghreb, indrindra fa any amin' ny faritr' i Mzab sy any Ghardaïa any Alzeria miaraka amin' ny karijisma (izay niavian' ny ibadisma), ao amin' ny Jebel Nefusa any Libia, any Djerba any Tonizia, ary koa ao Afrika Atsinanana, ao Tanzania (ao Zanzibar) ary any Kenià.
Manana ny sekolin-dalànany manokana ny Ibadita. Mihevitra izy ireo ankehitriny fa io no sekoly fahadimy ao amin' ny silamo sonita. Natokana ho an' ny manam-pahaizana ny ijtihad ("ezaka fandinihana"), ary manana ny fanangonana hadita manokana ny Ibadita.