Musa acuminata
Fiseho


Ny Musa acuminata dia karazana zavamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Musaceae, (fianakavian' ny akondro), izay avy any Azia Atsimo-Atsinanana. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe ambihy[1]. Ny ankamaroan' ny akondro azo hanina ankehitriny (anisan' izany ny akondro Cavendish) dia ao anatin' io karazana io avokoa; na izany aza, misy ny sasany izay tafiditra ao amin' ny karazana Musa × paradisiaca, izay safiotra avy amin' ny Musa acuminata sy ny Musa balbisiana. Anisan' ny karazan-javamaniry voalohany novolen' ny olombelona ny Musa acuminata, tokony ho tamin' ny taona 8000 tal JK, ka mahatonga azy ho iray amin' ny ohatra voalohany indrindra amin' ny zavamaniry voafolaky ny olombelona novolena.